Tonga soa isika Tanora Andriana rehetra

JAM amin'ny Teny Fohy

Ma photo
Madagascar, Madagascar, Madagascar
JAM Madagasikara na Vondron'ny tanora Andriana dia fitambaran'ireo tanora Andriana. Ao anatin'ny tanjona ny fampihavanana sy fampivondronana ary fampiraisana ny Andriana rehetra, ary indrindra ny famerenana ny Hasina.

jeudi 28 octobre 2010

TSARA HO FANTATRA

1675 - 1710, fotoana nanjakan'ANDRIANAMPOINIMERINA sy taty aoriana

Tamin’ny nanjak’Andrianampoinimerina dia nisy fotoana nanasiana sokajin’Andriana iray ambonin’ny rehetra avy amin’ny Zanakandriana na Zazamarolahy, dia ny Izimirahalahiavy sy Izimrahavaviavy na Izimianadahiavy, izay taranaky ny vady roambin’ny folony sy taranaky ny iraitampo taminy. Tamin’ireo no tokony hifidianana ho mpanjaka handimby an’Andrianampoinimerina. Nisy fotoana nampitombo be loatra ny Izimianadahiavy ary nifamono niady ny fandovana fanjakana. Nihena ary foana mihitsy aza ny Izimianadahiavy taty aoriana noho ny ady fandovana fanjakana. Niverina na naverina tamin’ny sokajy Zanakandriana na Zazamarolahy niaviany ny Izimianadahiavy : toy ny taranaka mivantan’Andrianampoinimerina rehefa niamboho ny mpanjaka.

Ary tamin’izany dia ny Zazamarolahy sy ny Zanakandriana no nifamory ary nandany fa ny zana-jokiny tera-behivavy no tokony hanjaka. Ny tera-behivavy dia zanaky andriambavy Zazamarolahy na Zanakandiana ka ny rainy dia tsy maintsy Zazamarolahy. Ny nahatonga izany dia satria ny vehivavy no noheverina fa nahatahiry ny tena maha-andriana feno fa ny lehilahy kosa dia tsy mba toy izany fa afaka mandehandeha any ambadika any.

Raha misy vehivavy Zazamarolahy manambady Andriamasinavalona dia manaraka an-drainy ny zanany, raha tsy hoe hafa noho izany no didian’ny mpanjaka.

Ary dia notanana toy izao ny filahatry ny Andriana taty aoriana :

    1. ny Zanakandriana,

    2. ny Zazamarolahy,

    3. ny Andriamasinavalona,

    4. ny Andriantopokoindrindra,

    5. ny Andriamboninolona,

    6. ny Andriandranando,

    7. ny Zanadralambo.

http://aviavy.awardspace.com/story/andrianamg.html

jeudi 21 octobre 2010

Ny Hasina < Lova tsy mifindra sns...

Niteraka fombafomba maro arak'izany ny fikajiana ny hasina ka nahatonga ny karazan'andriana sasany hanao ny « lova tsy mifindra » toy ny Andriandoriamanjaka ao Fonohasina sy ny Andriantompokoindrindra ao Ambohimalaza.Ireo mpanjaka maro nifandimby aza dia nanome lanja io hasina io tamin'ny anarany toy ny hoe Ramasimparihy, Andriamasinavalona...Toy izany koa, ny zavatra heverina fa masina dia tsy mety raha tsy landy no atafy na hamatorana azy ka izany no mahatonga ireo andriana merina hitafy landy ary ny vakan-tsampy dia atohy amin'ny kofehy landy.
http://mg.wikipedia.org/wiki/Hasina


vendredi 8 octobre 2010

EVENEMENT

Plusieurs comités seront associés au projet Jeunes Andriana de Madagascar dont entre autres l' "ÉVÈNEMENTIEL".
Ceci, toujours dans l'optique de vouloir renforcer les liens entre tous les jeunes de sang noble;
Mais aussi,  afin de mieux répondre aux besoins en terme de centre d'intérêt, et surtout dans le but d'assurer une imprégnation agencée d'une valeur sûre qui nous est  tous en commun.

MIANTSO ANTSIKA TANORA ANDRIANA

Tsarava Tompoko, miarahaba antsika tanora andriana rehetra!!!

Manao antso avo antsika hiara hifanome tanana hikarakara ny tontolo ben'ny tanora andriana eto Madagasikara sy izay rehetra mivahiny any ivelany (fialamboly- Asa- Fianarana- Sosialy-... sns)


Marihina fa tsy misy endrika politika na fivavahana ny hetsika rehetra izay ho atao!!!!
...

Mankasitraka antsika rehetra sahady ho @ fahombiazan'ity hetsika ity!!!!

Jeunes Andriana de Madagasikara