Tonga soa isika Tanora Andriana rehetra

JAM amin'ny Teny Fohy

Ma photo
Madagascar, Madagascar, Madagascar
JAM Madagasikara na Vondron'ny tanora Andriana dia fitambaran'ireo tanora Andriana. Ao anatin'ny tanjona ny fampihavanana sy fampivondronana ary fampiraisana ny Andriana rehetra, ary indrindra ny famerenana ny Hasina.

jeudi 28 octobre 2010

TSARA HO FANTATRA

1675 - 1710, fotoana nanjakan'ANDRIANAMPOINIMERINA sy taty aoriana

Tamin’ny nanjak’Andrianampoinimerina dia nisy fotoana nanasiana sokajin’Andriana iray ambonin’ny rehetra avy amin’ny Zanakandriana na Zazamarolahy, dia ny Izimirahalahiavy sy Izimrahavaviavy na Izimianadahiavy, izay taranaky ny vady roambin’ny folony sy taranaky ny iraitampo taminy. Tamin’ireo no tokony hifidianana ho mpanjaka handimby an’Andrianampoinimerina. Nisy fotoana nampitombo be loatra ny Izimianadahiavy ary nifamono niady ny fandovana fanjakana. Nihena ary foana mihitsy aza ny Izimianadahiavy taty aoriana noho ny ady fandovana fanjakana. Niverina na naverina tamin’ny sokajy Zanakandriana na Zazamarolahy niaviany ny Izimianadahiavy : toy ny taranaka mivantan’Andrianampoinimerina rehefa niamboho ny mpanjaka.

Ary tamin’izany dia ny Zazamarolahy sy ny Zanakandriana no nifamory ary nandany fa ny zana-jokiny tera-behivavy no tokony hanjaka. Ny tera-behivavy dia zanaky andriambavy Zazamarolahy na Zanakandiana ka ny rainy dia tsy maintsy Zazamarolahy. Ny nahatonga izany dia satria ny vehivavy no noheverina fa nahatahiry ny tena maha-andriana feno fa ny lehilahy kosa dia tsy mba toy izany fa afaka mandehandeha any ambadika any.

Raha misy vehivavy Zazamarolahy manambady Andriamasinavalona dia manaraka an-drainy ny zanany, raha tsy hoe hafa noho izany no didian’ny mpanjaka.

Ary dia notanana toy izao ny filahatry ny Andriana taty aoriana :

    1. ny Zanakandriana,

    2. ny Zazamarolahy,

    3. ny Andriamasinavalona,

    4. ny Andriantopokoindrindra,

    5. ny Andriamboninolona,

    6. ny Andriandranando,

    7. ny Zanadralambo.

http://aviavy.awardspace.com/story/andrianamg.html

1 commentaire:

  1. RA ZAZAMAROLAHY TOMPKO NY RENIKO DIA NY PAPAKO ANDRIATOMPOKOINDRINDRA DIA INONA ZANY AHO

    RépondreSupprimer